Ireo rehetra manohitra ny fitondran-dRajoelina no asain’ny vondron’ny Gasy Tia Tanindrazana hivondrona ao Trocadero Parisy rahampitso sabotsy 26 jona. Hetsika natao hanoherana ny zava-misy ara-politika, toekarena, ara-bola sy ara-poko izay mitotongana ka ahiana mafy eto Madagasikara izy ity. Hisy vahiny lehibe avy aty Madagasikara hitarika izao hetsika goavana izao. Amin’ny iray ora tolakandro any an-toerana no hifamotoana eo amin’ny Trocadero izy ireo, avy eo dia hisy diabe sy fanompoam-pivavahana, ary hitohy amin’ny sakafo mitam-pihavanana. Fa tetsy an-danin’izany, araka ny loharanom-baovao dia tsy nomen’ny prefektioran’i Parisy alalana kosa ny RFD, fivoarana sy fampandrosoana, raha nikasa hanao hetsika ihany koa ao amin’ny boriborintany faha-7 sy faha- 16. Araka izany dia foana ny hetsika nokasainy hatao anio hariva amin’ireo toerana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.