Politique

GTT International “Aza atao takalon’aina ny Malagasy 20 tapitrisa !”


  • Talata 19 Jolay 2011

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia nisy ny taratasy misokatra nalefan’ny vondrona Malagasy tia tanindrazana (GTT International) any amin’ireo tompon’andraiki-panjakana frantsay.

 Heverin’izy ireo manko fa manana andraikitra goavana ao ambadiky ny korontana novolena teo amin’ny firenena ny Reny malala. Notanisaina ao anatin’ ilay taratasy avokoa ireo zava-nisy eto amin’ny firenena tato anatin’ny telo taona izao, dia ny herisetra, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ny fahantrana mihalalina vokatry ny fakana fanjakana tamin-kery sy ny maro hafa, eo koa ireo dingana efa vita hatramin’izao amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mangataka amin’i Frantsa ny GTT International mba hampitsahatra ny filalaovana ny fiainan’ny vahoaka 20 tapitrisa, na mivantana io na an-kolaka.

Takian’izy ireo koa ny faneken’i Frantsa na ny fanarahan’i Frantsa ny fehin-kevitry ny Parlemanta eoropeanina izay manameloka ny fihazonana fanjakana tsy ara-dalàna. Mampitandrina an’i Frantsa koa izy ireo tsy hanao fihetsika na mivantana na an-kolaka hanakanana ny dingana ho amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy. Ankoatra izay dia takiany ny hamelana ny Malagasy hifidy malalaka izay hitondrany ny fiainany sy ny hanajan’i Frantsa izany hoe fiandrianam-pirenena malagasy izany ka mba ho politikam-piaraha-miasa madio no hisy eo amin’ny firenena roa tonta.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT