Politique

GTT Intenational «Soloy i Leonardo Simao !»


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

“Tsy nanaraka ny hevitry ny SADC ny mpanelanelan’ny GIC, ny Dr Leonardo Simao. Tandindomin-doza ny famahana an’i Madagasikara amin’ny krizy ka mangataka ny hanoloana azy izahay”.

 Santionany amin’ny taratasy nalefan’ny GTT International manana ny foibeny ao Genève ho an’ny foiben’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena io manoloana ny fihetsik’ity voalaza fa mpanelanelana amin’ny krizy Malagasy ity. Nankasitraka ny SADC moa ity vondrona ity ny amin’izay fanapahan-kevitra noraisiny tamin’ny 12 jona lasa teo tany Sandton ny amin’izay heverina fa tokony hamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy izay efa ela loatra vokatry ny fanonganam-panjakana niseho teto amintsika ny taona 2009. Ao anatin’izay fanapahan-kevitra izany, ohatra, ny fahafahan’ireo Malagasy sesitany politika rehetra mody an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisan’izany ny filoha Ravalomanana sy ny momba ny tokony hametrahana fitaovana araka ny lalàna hiantoka ny fahalalahana ara-politika hahazoan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fifidianana.

Raha tonga eto Madagasikara anefa ingahy Simao, hoy ny taratasy, dia tsy nanome antoka ny Malagasy no nataony fa ny nanova ny fanapahan-kevitry ny SADC ary dia miteraka savorovoron-tsaina izany. Ary dia sahiny, hoy ihany ny taratasy, ny nametraka fepetra ny amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy nitana ny andraikiny maha mpanelanelana azy intsony ingahy Simao fa dia niasa ho an’ny mpanongam-panjakana, hoy ihany ilay taratasy ary dia niniany ny nitondrana ny fanovana ny momba ilay tondrozotra. Raha ny fahitan’ny GTT International azy dia anisan’ny paikadin’ingahy Simao ny hanakisaka ny Ankolafy 3 ka hampanaiky ny vahoaka Malagasy ny fitondrana tsy ara-dalàna tarihin’i Andry Rajoelina.

Raha tokony hampihavana ireo mpifanandrina ny Dr Simao, araka ny fanazavana ihany dia lasa vao maina nampisaraka, raha tokony hamaha olana izy dia vao mainka halavainy izany krizy izany ary dia lasa sakana amin’ny fitoniana eto Madagasikara ny tenany. Manoloana izany dia tsy azo antoka intsony ny Dr Simao, hoy ny GTT International ka mangataka amin’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT International mba hampiharana ny tapaka tany Sandton, ny fanitsiana araka ny tokony ho izy ny tondrozotra ary ny fametrahana ato anatin’ny fotoana haingana dia haingana ny fepetra hiantohana ny fanatanterahna izay fehin-kevitra rehetra, ka ao anatin’izany ny fangatahan’ny GTT International ny amin’ny tokony handefasana eto amintsika ny borigady misahana ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT