Politique

GTT Ile de France Tsy tokony hanomana fifidianana ny mpanongam-panjakana


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Tamin’iny faran’ny herinandro iny dia nitsidika an’i Frantsa ny filohan’i Tanzania, Jakaya Mrisho Kikwete izay mpitarika ny Troika SADC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

 Nisy ny fihaonany tamin’ny filoha frantsay François Hollande ka isan’ny voadinika tamin’izany ireo raharaha mafana aty Afrika toy ny zava-misy ao Mali sy ny eto Madagasikara. Ankoatra izay dia nisy koa ny fihaonany tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Laurent Fabius. Tetsy andanin’izany dia nandefa taratasy ho an’ny filohan’ny Troika-SADC ny vondrona GTT Ile de France ao anatin’izao fandalovany ao Frantsa izao.

Tao anatin’izany no nilazan’ity vondrona ity fa azo ambara ho fanantenan’ny Malagasy amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipika ny Troika-SADC. “Mahatsiaro ho afa-baraka ny Malagasy”, hoy ny GTT IDF satria “olona tsy voafidy no mitondra ny firenena efa ho efa-taona izao, tamin’ny alalana herisetra no nakany fahefana”. “Tsy mbola nahantra toy izao koa ny Malagasy”, hoy ihany ny GTT IDF ao anatin’ilay taratasy. Notsipihan’ity vondrona ity fa tsy afa-po amin’ny fampiharan’ny SADC ny fitsipika ny GTT IDF. Ao anatin’ny satan’ny Vondrona Afrikana momba ny fitantanana manko, hoy ny GTT dia milaza mazava fa tsy afaka mandray anjara amin’ny fikarakarana sy fanomanana fifidianana ny mpanongam-panjakana. Ankoatra izay dia nomarihin’ny GTT IDF ihany koa ny tokony hiantohan’ny SADC ny fodian’ny filoha voafidim-bahoaka eto an-tanindrazany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT