Tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy navoakany omaly alatsinainy no nanehoan’ny GTT IDF (Gasy Tia Tanindrazana monina ao manodidina an’i Parisy Frantsa), ny fitsipahany marindrano ny fihaonambem-pirenena tanterahana eny amin’ny CCI Ivato.
Amin’izy ireo mantsy dia sarintsarina fivoriana hivondronan’ireo antoko sy fikambanana mitovy firehana amin’ny FAT ity fihaonambem-pirenena ity, ary natao fotsiny mba hanaronana ny fandaniana ny hevitr’i Andry Rajoelina. Nampatsiahy indray ny GTT IDF fa tsy ara-dalàna sady tsy ara-drariny manoloana ny Malagasy sy izao tontolo izao ny fijoroan’ny tetezamitan-dRajoelina, ka noho izany dia tsy manankery ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny, ary tsy manana lanjany eo amin’ny sehatry ny lalàna na eto an-toerana izany na any ivelany. Noho izany dia ambaran’ity fikambanan’ny Tia Tanindrazana any ivelany ity fa tsy manankery sy tahaka ny tsy misy ny fanapahan-kevitra rehetra hivoaka amin’ity sarintsarina fihaonambem-pirenena ity. Ho azy ireo dia mitaky fitoniana politika sy sosialy mialoha ny tena fihaonambem-pirenena.
Tsy maintsy ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo ankolafy politika rehetra ny fihaonambem-pirenena tena izy, ary araka ny fanambaran’ny GTT IDF ihany, dia mila manatrika izany eto Madagasikara ny filohan’ny ankolafy rehetra, Izany hoe tokony havela mody an-tanindrazana aloha ny filoha teo aloha isany, Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, izay vao miroso amin’ny dinika hivoahana tanteraka amin’ny krizy isika. Ho an’ity fikambanana ity dia karazana fisandohana ny vahoaka malagasy sy fanaovana tsinontsinona ny zony izao fanapahan-kevitr’ankolafy tokana sarontsaronana amin’ny fihaonambem-pirenena izao. Naka fitondrrana tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana sy ny herisetra i Andry Rajoelina, ary tsy azo ekena ho mahasolo tena ny vahoaka malagasy mihitsy amin’ny fanapahan-kevitra hananganana repoblika vaovao, hoy ny GTT IDF mamarana ny fanambarany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.