Politique

GTT IDF Mitaky ny firotsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana


  • Talata 18 Desambra 2012

Fahadisoana tanteraka ny hevitra voizina hilazana fa ny fandrarana olona voafidin’ny Malagasy dia hampiverina ny fandriampahalemana eto Madagasikara, hoy ny vondrona Gasy Tia Tanindrazana rantsana Ile de France na GTT IDF.

 Mifanohitra tanteraka amin’ny soatovina izay dradraina fa ny vahoaka no andriamanjaka ary tompon’ny teny farany, hoy ny GTT IDF. Tsy nisy Malagasy nangatahana ny heviny na iray aza momba izany famerezan-jo azy fanindroany izany. Manoloana izany indrindra ary dia mitodika amin’ireo vondrona iraisam-pirenena nanao ny fanelanelanana ny GTT-IDF, milaza ny tsy fanekeny tanteraka izao fanesorana ny fahafahan’ny Malagasy hisafidy ny olona tokony hitondra azy izao. Fanontaniana moa no napetrany ny amin’ny hoe : aiza ny soatoavina izay milaza ny fiarovana ny zon’ny vahoaka, ny fanajana ny teny amin’ny hoe fiarovana ny demokrasia.

Ankoatra izay dia mametra-panontaniana ihany koa ny GTT IDF ny amin’ny hoe tombontsoan’iza no arovan’ireo mpanelanelana raha tsy sahy mampihatra ny fepetra noraisin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny 2010 izy ireo ny amin’ny sazin’ireo mpanongam-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy miisa 109. Mbola fanontaniana ihany koa ny momba ny tsy fampiharana ny fifanarahan’i Cotonou sy ny sata mifehy ny fahaiza-mitantana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina izay manan-kery ka mandrara ny fitantanana sy fandraisan’anjaran’ireo mpanongam-panjakana amin’ny fifidianana.

Manao antso avo amin’ny Vondrona SADC sy ny Troïka ny GTT IDF fa fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka Malagasy ny tolo-kevitra naroson’izy ireo. Nohamafisiny ihany koa fa tsy hisy mihitsy fandriampahalemana eto Madagasikara raha toa tapenam-bava sy tsy omena fahafahana hifidy malalaka ny olona tiany hitondra ny fireneny ny Malagasy. Miantso ny Malagasy koa ny GTT IDF hitsipaka ny fandrarana ny filoha Marc Ravalomamama tsy hilatsaka amin’ny fifidianana ary mitaky tsy misy fepetra ny firotsahany amin’izany fifidianana izany manomboka izao.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT