Politique

GTT Genčve Nanao taratasy misokatra ho an’i Laurent Fabius


  • Alarobia 06 Febroary 2013

Raha tsy misy ny fiovana dia horaisin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Atoa Laurent Fabius, amin’ity anio ity ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina.

Manoloana izany indrindra dia nanoratra taratasy misokatra ho an’Atoa Laurent Fabius ny vondron’ny Gasy Tia Tanindrazana na ny GTT ao Genève. Novelabelarina tao anatin’izany taratasy izany ny momba ny krizy eto amintsika, izay sambany teo amin’ny tantara no nisian’izao, na teo amin’ny faharetany na ny fiantraikany ara-toekarena sy ara-tsosialy. Efa-taona izao, hoy ny GTT Genève no niainan’ny Malagasy ny fahoriana sy fampihorohoroana ataon’ny tarik’i Andry Rajoelina eny hatramin’ny famonoana izay namoizana ain’olona an-jatony. Anisan’ireo namoaka ny tsiambaratelo tamin’ny fanonganam-panjakana, raha ny voasoratra ao anatin’ilay taratasin’ny GTT ny kolonely Charles Andrianasoavina.

Tsy ho hadinon’ny Malagasy, hoy ny GTT ny firaisan’ny governemanta Sarkozy petsapetsa amin’izao krizy izao. Ny vahaolana rehetra naroso, araka ny fanazavana ihany dia nosoparan-dRajoelina avokoa satria izay no torohevitra ambadik’i Frantsa. Vao tsy ela akory, hoy ny GTT ao anatin’ity taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay ity ny vava navoakan’i Frantsa tamin’ny alalan’ny ambasadaorony izay nanohitra ny fanambaran’ny SADC sy ny Vondrona Eoropeanina ny amin’ny fampiharana ny sori-dalana. Ny fanakanan’ingahy François Goldblatt ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana dia fihantsiana fa tsy hitondra fitoniana, hoy ihany ny GTT Genève.

Manoloana izany àry dia miantso an’i Frantsa ireto farany hijery ny zava-misy marina, tsy hanome fankatoavana fahatany. Nambaran’ny GTT ao anatin’ilay taratasy koa fa tsy hankato izay fifidianana tsy nanaraka izay voasoratra ao anatin’ny sori-dalana ny Malagasy. Ao anatin’izany ny fodian’ireo sesitany politika tsy misy fepetra, anisany ny filoha Marc Ravalomanana, ny famohana ireo haino aman-jery nakatona noho ny resaka politika ary ny famotsorana ireo gadra politika rehetra sy ny fanajana ny zo maha olom-pirenena sy politikan’ny Malagasy tsy ankanavaka.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT