Politique

“Gros bras” manao barofo Senatera no atidoha


  • Zoma 23 Septambra 2016

Mivoatra ny vaovao manodidina ny herisetra nataon’ny andiana “Gros bras” tamin’ireo mpikambana ao amin’ny hetsika MMF (Malagasy Mivondrona ho an'ny Fanorenana ifotony»


 nivory tao Beravina Fianarantsoa ny tolakandron’ny alarobia 21 septambra teo, izay niafara tamin’ny fakana an-keriny lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra ny tetezamita Raharison Benjamin. Fitolahy no nanafika, polisy mpiambina manokana Loholona am-perinasa ny iray tamin’ireo. Bandy diso fantatra ao an-tanàna ny ambiny, izay nidaroka sady nandrahona ny mpivory tao hipetrapetraka hiandry fifidianana amin’ny 2018. Pastera sy olon-tsotra iray naratra mafy, nampidirina hopitaly. Navory tamina hotely lehibe iray ao Fianarantsoa ireo “gros bras” talohan’ny fanafihana. Mbola novoriana ihany koa izy ireo omaly, fa mety mbola hisy “opération” anio. Nisy omaly fanambarana nataon’ny olobe ao Fianarantsoa handraisana fepetra amin’ireo andiana “gros bras” nanao barofo ireo. Mety ho antso an’efitra anefa ny azy ireo, manoloana ny fihetsik’ireto te hampiseho amin’ny filoham-pirenena fa tsy misy mpanohitra ny fitondrany izany ao Fianarantsoa.

Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT