Nangingina tsy nisy tohiny ilay barofo natao amin’ireo mpikamban’ny hetsika MMF (Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana ifotony) tao Beravina Fianarantsoa,
ny harivan’ny alarobia 14 septambra 2016, niafara tamin’ny fakana an-keriny ny lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony tamin’ny tetezamita Raharison Benjamin. « Gros bras » na andiana besandry fitolahy no nanao amboletra tao am-pivoriana tamin’io, niaraka tamina polisy mitam-basy, mpiambina Loholona iray. Navotsotr’izy ireo mangingina ny alin’io alarobia io ihany moa ilay lehiben’ny faritra, saingy nahazo fandrahonana toy ireo mpiara-dia aminy mba hamitsaka, hiandry amin’ny 2018. Hatreto, na tamingan’olona iray aza tsy nosamborina taorian’iny tranga iny, nefa fakana an-keriny izao no niseho. Nitsofohan’ny “Gros bras” ihany koa ny tranon’ny depiote Mapar Rahantanirina Lalao na Nina tetsy amin’ny 67ha. Nilaza ho tsy nandefa iraka tany ny polisy, tampoka indray dia ny zanaky ny depiote indray no nidoboka eny Antanimora. Mbola tsaroan’ny maro koa ny latsak’alina nataon’ny “Gros bras” teny amin’ny tobin’ny polisy monisipaly Anosipatrana namoahana tamin-kery ny kamiaon’ny Sinoa. Niala bala ho tsy nandefa ny olony teny ny mpitandro ny filaminana. Ireny tranga ireny no toa vao mainka manamafy ny ahiahin’ny maro fa fitaovana ampiasain’ny mpitondra ihany koa izao ny “Gros bras” mba hanapenam-bava ny mpanohitra. Fa ny loza ao anatin’izany, raha sanatria misy aina afoy na ratra toy ny nitranga tany Fianarantsoa, dia miala mangingina ny mpitondra, hilaza fa tsy olony no nahavanona azy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.