Mpivory any an-tranon’olon-tsotra tao Beravina-Fianarantsoa noravan’ny “Gros bras”, roboka hatramina polisy mpiambina manokana Loholona iray, ny mitaky ampahibemaso teny Soamahamanina iharan’ny herim-pamoretana sy ataon’ny Emmo-Reg hazalambo.
Latsaka ny ra, misy ny hatrany fisamborana. Mafampana ny toe-draharaha. Tsy eto an-drenivohitra fa hatrany amin’ny faritra. Efa kilalao politika vetaveta no eto, fa tsy demokrasia. Nohararaotin’ny mpitondra hanaovana herim-pamoretana ny filazan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-moon, raha nandalo teto izy tamin’ny volana mey 2016, fa tsy azo atao ny manongam-panjakana. Dia io fa mangina ny sehatra iraisam-pirenena. Manararaotra toa banga mihomehy alina ny mpandroba ny harem-pirenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.