Politique

Grevy teny Analakely Tsy nipoitra ny mpitarika


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Sambasamba ! Niha hendry va re ny Emmoreg sa dia nahoana loatra fa dia iny omaly tetsy Analakely iny izany no hetsika faran’izay azo lazaina hoe fiantsiana faratampony nataona mpanohitra teto amin’ny firenena kanefa dia tsy basy omaly no nipoaka,

 

 tsy tafondro nirefotra, tsy nisy baomba mandatsa-dranomaso nalefa na iray aza tsy nisy olona voasambotra ihany koa. Andro iray monja talohan’ny hetsika anefa no nisy sahy nilaza ampahibemaso fa hanongam-panjakana tamin’ny teny Malagasy ofisialy mazava be.

Sinema ?

Mandeha be ny saina aman’eritreritr’ireo mpanara-baovao nanoloana ny zava-nisy ary dia tao ireo nalaim-panahy nihevitra mihitsy fa ny antoko HVM ihany no tao ambadiky ny hetsika omaly mba hoentina hamandrihana ireo heverin’ny mpitandro ny filaminana fa lehiben’ny mpanakorontana eto amin’ny firenena. Anisan’ny nandrasana hipoitra tao anatin’ny hetsika omaly, raha ny fijerin’ireo mpanara-baovao, ny loholona Lilyson René de Rolland saingy tsy nahomby izany ny tetika. Tao koa ireo olona nilaza fa sao dia sinema fotsiny ihany ireny tahaka ny efa fanao mba hanadalana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny tena olana. Nanambara moa omaly i Faniry Razafimanantany mpitarika ny AFP fa tsy maintsy mailo ihany aloha amin’ny zava-misy. Mbola hitohy anio sabotsy ny hetsika, hoy izy, ary eny Analakely ihany ny fotoana. Efa nanome toky ihany koa ny Emmoreg fa ho avy hitandro ny filaminana eny Analakely sy ny manodidina. Tsara homarihana fa tsy nisy ny zavatra simba na potika nandritra ny hetsika omaly, tsy nisy ihany koa ny fifandonana fa nifampitazatazana fotsiny ny olona sy ny emmoreg ary teo afovoany nivezivezy teo ny mpanao gazety. Io no nahatonga ilay resaka avy eo hoe :hafahafa ity raharaha ity fa tsy manaraka ny lôjikan’ireo fanambarana feno fahasahiana natao nandritra ny herinandro ary tahaka ny hoe sinema fotsiny mihitsy aza ilay izy. Sabotsy andro tsy fiasana ho an’ny maro moa anio koa dia ho hita eo indray ny fitrangany eny Analakely.

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT