Politique

Grevy eny Analakely Zoma hihosin-dra ?


  • Alakamisy 18 Aogositra 2016

Nampiantso mpanao gazety tetsy Ankadilalana omaly ny avy eo anivon’ny prefektioran’ny polisy sy ny EMMOFAR ary ny EMMOREG.

 

Nampahafantatra izy ireo fa hisy ny fepetra hentitra hampandraiketina ny avy eo anivon’ny EMMOREG raha mbola hikiry hitarika olona hanao fidinana an-dalambe eny Analakely ny hetsika Antso ho Fanavotam-Pirenena na ny AFP rahampitso zoma. Nandrasana hametraka fangatahana fahazoan-dalana hanao io hetsika rahampitso io ity fikambanana ity saingy tsy tonga, hoy ny lehiben’ny EMMOFAR, ny jeneraly Florens Rakotomahanina. Dila ny 5 andro ankehitriny, ka dia voatery izahay handray ny fepetra tandrify ny hetsika tsy nahazoana alalana.

Ahiana ny hisian’ny ra mandriaka

Mandeha ny feo fa amin’io fotoana io, hono, efa misy andian’olona voaomana hamerina ny toy izay nisy tamin’ny taona 2009 ao anatin’ireo mpanao fihetsiketsehana ka mety hanatontosa fandrobana sy fandorana tranon’olona amin’ireo toerana manodidina ny kianjan’ny 13 mey indray. Miely koa ny tsaho fa efa misy olona voakarama hitifitra ao anaty vahoaka dia lazaina fa ny fitondram-panjakana no nandatsa-dra sy nanao izany. Ho mpitandro filaminana “zavo-tany”, no nilazan’ny lehiben’ny EMMOFAR sy ny EMMOREG amin’io fotoana io. Tsy handefitra amin’ireo izay mbola minia ho eny an-kianja izahay amin’io fotoana io ary mety hiafara amin’ny fisamborana ireo izay mampiahiahy izany. Milaza fa efa vonona koa anefa ny mpitarika ny fihetsiketsehana ka ho avy miaraka amin’ny vahoaka eny Analakely. Tena hafana ny raharaha rahampitso  ary ahiana ny hisian’ny fifandonana.

 

Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT