Samy manana ny fomba fijeriny sy ny heviny manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny rehetra, anisan’izany ny mpitarika ny AFP na ny Antso ho an’ny Fanavotam-Pirenena sy ny Fikambanana
Ambalambahoaka izay mifanipa-kevitra sy mifanenjika tanteraka. An-daniny, milaza ho efa vonona amin’ny fidinana an-dalambe eny Analakely ny 19 aogositra izao ny AFP. Fotoana sisa andrasana ary tsy fotoanan’ny fiomanana intsony izao fa fahavononana ho an’ity vondrona ity. Tsy nisalasala ingahy Faniry Razafimanantany nanambara fa tsy hihemotra ninoninona hitranga ary tsy ilaina ny fangatahana alalana hidina an-dalambe fa vonona hisedra izay zava-miseho eny an-kianja izy ireo. An-kilany, tsy nitsitsy fitenenana ny avy amin’ny Fikambanana Ambalambahoaka tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny Rtoa Randrianarisoa J. Claudia fa hamarina an-kady ny firenena ity hetsiky ny AFP ity. Tsy nihambahamba ity fikambanana ity naneho fa olona tsy lanim-bahoaka ka mitady seza fotsiny no mitarika ity APF ity. Toa manamafy izy ireo fa vonona hijoro sy handrava izao hetsiky ny APF izay sokajiany ho asa fanakorontanana izao. Ankehitriny, samy manana ny manahirana azy ny vahoaka sy mpanao politika eto amin’ny firenena. Ny mpanao politika miady andro aman’alina any anaty haino aman-jery mba hampanjakana ny heviny izay tsy mbola nitondra soa ho an’ny firenena hatramin’izao. Ny vahoaka kosa miady isa-minitra amin’ny fitadiavana izay harapaka ka tsy misy fotoana hisainana izay resa-politika intsony.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.