Minisitera enina avy no anjaran’ireo ankolafy 4 araka ny voasoratra ao anatin’ny volavolam-pifanarahan’i Pretoria, ministera 7 kosa no natolotra ny firehana hafa, voasokajy ao anatin’ilay «autres sensibilités».
Tsikaritra fa nesorina teo anivon’ireo ankolafy 4 ireo minisitera mahakasika ny foloalindahy sy ny filaminana anatiny, ny atitany, ny fahasalamana ary ny kolontsaina sy ny vakoka fa nampiandraiketina ny «autres sensibilités». Ny ankolafy Rajoelina dia hisahana ny fitsarana, tanora sy ny fanatanjahantena, ny fiompiana, toekarena sy ny fiaraha-miasa, ny varotra ary ny fanapariaham-pahefana. Ny ankolafy Ravalomanana kosa dia hiandraikitra ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny fampianarana ambaratonga ambony, ny fambolena, ny fizahantany sy ny asa tanana, ny serasera ary ny asa vaventy sy ny fandraharahana ny toetry ny andro. Ny anjaran’ny ankolafy Ratsiraka kosa dia ny minisiteran’ny tetibola, ny fifandraisana, ny paositra sy ny teknolojia avo lenta, ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, ny indostria, ny fampianarana ary ny minisiteran’ny rano. Ny ankolafy Zafy Albert dia notolorana ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny angovo, ny fitaterana, ny jono sy ny harena an-dranomasina, ny fampianarana teknika, ny mponina ary ny tontolo iainana sy ny ala. Tsara homarihana fa efa hatrany Addis Abeba no nipoitra io fitsinjarana ny toerana io, saingy tsy nety naharesy lahatra ny ankolafy sasany mihitsy, indrindra fa ny ankolafy Rajoelina. Araka ny voalazan’ity fifanarahana ity ihany dia Praiminisitry ny fampihavanam-pirenena sy eken’ny rehetra no hitantana ity governemanta ity, izany hoe tsy i Camille Vital mihitsy izay notendren’i Andry Rajoelina samirery ary tsy neken’ny ankolafy 3. Raha araka ny satan’i Maputo, izay fototra iaingan’ity fifanarahan’i Pretoria ity dia i Mangalaza Eugène no efa nifanekena fa hatao praiminisitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.