Andron’ny fiovana tokoa angamba ny amin’izao fotoana fa dia miovaova isan’andro ny zava-misy ary tsy misy intsony ny fandaharam-potoana tena matotra azo itokisana 100%.
Raha ny resaka mandeha sy ny vaovao farany nahoraka teto an-drenivohitra indray hatry ny omaly dia ny hoe : mety hijanona amin’ny toerany ary hanohy ny asa aman-draharaha tahaka ny isan’andro indray aloha ny governemanta misy amin’izao fotoana. Nihitsoka tanteraka mantsy ny fananganana ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena, ary sarotra ny hinoana fa hisy manamboninahitra hanaiky ny hiditra ao amin’izany governemanta izany taorian’ny fanambaran’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika sy ny Komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena. Midika izany fa tsy ho teraka mihitsy ilay governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila ary ireo antsoina hoe teknisianina. Misy andro aman’alina ny fivoriana eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo saingy tsy mety hita ny vahaolana tena izy. Mety ho izay no mahatonga ny sasantsasany amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Andry Rajoelina manomboka resy lahatra amin’izao fotoana, fa tsy misy tokony hananganana governemanta iray vaovao indray, ary tsy vahaolana ny fampidirana miaramila ao. Araka ny nambara anefa dia tompondakan’ny fiovaovana sy fivadihan-dela ity fitondrana ity ka mety ho zavatra hafa indray ny hitranga afaka ora vitsivitsy, na rahampitso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.