Politique

Governemanta vaovao Hafajoro ato anatin’ny herinandro ?


  • Alarobia 28 Aprily 2010


Mbola mitohy hatrany ireo fivoriana maro isan-karazany eto an-toerana mandra-piandry izay havoakan’ny fihaonana any Pretoria. Araka ny tsiliantsofina re dia mieritreritra ny hanangana governemantan’ny fampihavanam-pirenena avy hatrany ireto vondron’olona mivory etsy sy eroa ireto raha sanatria ka tsy mahomby ny dinika any Afrika Atsimo. Misy safidy roa amin’izay mety ho endrik’izany governemanta izany. Voalohany dia governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila, izany hoe misasaka ny isan’ny minisitra sivily sy minisitra miaramila. Ny endrika faharoa dia governemanta sivily, ka mety ahitana olona sasany avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert ary Ratsiraka. Amin’ireo tranga roa ireo anefa dia mijanona ho praiminisitra hatrany ny jeneraly Camille Vital. Ny fanomanana ny fifidianana no laharampahamehana ho an’io governemanta io. Marihana fa vinavina sy tombantombana ihany izany rehetra izany, fa mety mbola hisy ny fanovana. Tsy misy koa izany vinavina izany raha toa ka mifanaraka ary vonona ny hiara-hiasa amin’ny fitantanana ny tetezamita amin’ity anio ity ireo ankolafy 4. Ato anatin’ny herinandro moa farafahatarany no hijoroan’izany governemanta izany, araka ny resaka mandeha ihany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT