Nijanona ho siosion-dresaka fotsiny ilay hoe fanovana ny governemanta fa tsy nihatra mihitsy hatramin’izao. Nijanona teo amin’ny fanendrena ny mpikambana tao amin’ny CST sy ny CT ilay hoe politikan’ny fisokafan’ny FAT fa tsy nitatra hatrany amin’ny fahefana mpanatanteraka.
Raha nanokatra ny Tsena Mora tao amin’ny kianja mitafo Mahamasina i Andry Rajoelina ny zoma 22 oktobra dia nilaza fa aorian’ny fifidianana ny fanovana governemanta, na izany aza dia manohy ny asany tahaka ny isan’andro ny praiministra sy ny ministra rehetra ao amin’ny governemanta FAT ary hita ho samy matoky fa tsy ho esorina amin’ny toerany. Ireo mpanao politika koa moa toa nangina ny ankamaroany, rehefa nahazo seza fa tsy nisy nitaky intsony ny hananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena. Ny hany re nandritra ny iray volana latsaka izao dia ny hoe : tsy maninona raha mijanona amin’ny toerany ny praiministra Camille Vital fa ny ministra kosa no tsy maintsy soloina. Amin’ny ankapobeny dia mpikambana 30 no tokony handrafitra ny governemanta vaovao araka ny soso-kevitr’ireo fironana politika samihafa.
Azo ambara anefa fa tsy maharesy lahatra ny maro ny fananganana fotsiny ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, satria any amin’ny fahefana mpanatanteraka no tena hiandrandran’ny maro izany hoe fiaraha-mitantana izany. Izay mantsy no fomba fanao sy fahita aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Raha ny fandehan’ny raharaha amin’izao fotoana anefa dia tsy ho ato ho ato mihitsy no handrava io governemanta io ny filohan’ny FAT, ary raha ny fandinihana azy dia mety tsy hisy izany amin’ity taona ity. Mety afaka hanazavana ny fahanginan’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny raharaha Madagasikara sy ny tsy fankatoavana ny fananganana ny CST sy ny CT io. Azo eritreretina koa anefa fa tafiditra ao anatin’ny kajikajy politikan’i Andry Rajoelina sy ny ankolafiny io ka raha raikitra ihany ny fihaonana eo amin’ny filohan’ny Ankolafy Efatra dia tsy hanaiky zavatra hafa ankoatra ny fidiran’ireo Ankolafy Telo ao anatin’ny governemanta ny filohan’ny FAT.
Izany hoe, mijanona amin’ny endriny amin’izao fotoana ny CST sy ny CT fa raha misy ankolafy mazoto hiditra ao anatin’ny tetezamita dia ao anaty governemanta izy no omena toerana. Azo vinavinaina ihany koa fa mety ho voahilika ihany ny jeneraly Camille Vital rehefa tena mafampana ny ady hevitra ary mahazo ny fanakianana sy tsindry avy amin’ny Ankolafy Telo sy ny sehatra iraisam-pirenena i Andry Rajoelina. Efa nitranga ihany mantsy izany taorian’ny Maputo 2 ka nanesorana an’i Monja Roindefo. Tsara homarihana fa raha ireo fifanarahana nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba dia praiministry ny fampihavanam-pirenena no tokony hitantana ny governemanta, ary i Mangalaza Eugène no voatendry ho amin’izany. Efa am-bolana maro anefa no tsy re feo intsony ity farany ary tsy hita mihitsy teo amin’ny tontolo politika. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe raha misy marimaritra iraisana vaovao dia iza ary ny praiministra eken’ny rehetra ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.