Mitombo hatrany ny fanenjehana mahazo ny fitondrana HVM amin’izao fotoana. Ny eo tsy milamina, ny eo misosoka ihany noho ny laza ratsin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ireo mahazo tombontsoa manokana sisa no mitapikitra aminy.
Tsy mbola milamina ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay haneren’ny herivelona maro eto amin’ny firenena ny hampiharana ny tany tan-dalàna, kanefa dia efa misosoka ihany koa ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny solombavambahoaka, dia hivoaka indray ny resaka fitsipaham-pitokisana ary efa misy mihitsy ireo antoko mivoy ny hanatanterahana izany. Raha ny zava-misy ankehitriny sy ny tsy fankasitrahan’ny olona ny fanjakana amin’ny ankapobeny mihitsy, dia hizotra amin’izay ny solombavambahoaka, raha tena misolotena ny Malagasy tokoa. Tsy hay anefa izay hafitsoky ny fanjakana ankehitriny, izay tombanana fa hanao ny fomba fanaony amin’ny fizarana malety indray raha toa ka ho raikitra tokoa io fitsipaham-pitokisana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.