«Manomboka izao dia ny Praiminisitra no hiandraikitra ny fitantanana ny Minisiteran’ny foloalindahy mandra-pisian’ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta».
Izay no nambaran’i Camille Vital, raha namaky fanapa-kevitry ny fitondrana avon’ny tetezamita manoloana ny toe-draharaha nifamahofaho, manodidina ny foloalindahy izay niteraka ahiahy eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, ka nandraisana ny didim-panjakana 2010-187 tamin’ny 07 aprily 2010, manilika ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, tsy ho minisitry ny fiarovam-pirenena intsony rehefa nitana io andraikitra io tao anatin’ny 12 volana teo. Noho izy nitarika fivoriana nandraisan’ireo mpitari-tafika any amin’ny faritra saingy niteraka resabe noho izy nahiahiana ho mikotrika fanonganam-panjakana no isan’ny nitarika ho amin’ity fanesorana ny minisitry ny fiarovam-pirenena ity. Raha Minisitra telo hafa tokoa mantsy no nahoraka fa handao ny governemanta Vital taorian’ny fametraham-pialan’i Ny Hasina Andriamanjato ny 10 febroary, fa ny jeneraly Rakotonandrasana Noël no voahilika. Izy izany izao no fahatelo tamin’ireo niandraikitra minisiteran’ny fiandrianam-pirenena, taorian’i Monja Roindefo sy Ny Hasina ary nanohana akaiky sy niady fo, toy ny nitranga teny amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009, nametrahana an’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ka setrin’izany indrindra no nanandratana ny gradiny ho eo amin’ny laharan’ny jeneraly. Tsy niherina ny taona dia miova ny tanàna, voahilika izy. Andro vitsivitsy koa izay no re fa tsy tafiditra an-dapa intsony ny tenany, na nikasa hihaona amin’i Andry Rajoelina aza. Milaza ny haneho ny heviny, hitondra fanazavana amin’ny zavatra iampangana sy iahiahiana azy ny jeneraly Rakotonandrasana Noël amin’ity anio ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.