Mahalasa fisainana ihany tato ho ato ireo lahateny ampahibemaso na valin-teny nataon’ireo minisitra na mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo manoloana ny zava-misy lalovan’ny firenena ankehitriny.
Tsapa ho misongadina mantsy ny tsy filaminana anatiny eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta. Natsipin’ny tale jeneralin’ny fanabeazana fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra any amin’ny minisiteran’ny Fitantanana sy ny Tetibola miaraka amin’ny parlemanta, ohatra, ny tsy fahafahana mamaha ny olan’ireo mpampianatra mpikambana ao amin’ny Sempama. Nampanantena ny fahazoan’ireo dokotera mpitsabo ny tombontsoan’izy ireo amin’ny taona 2017 kosa ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka nandritra ny fikaonandoha nasionalin’ny Holafitr’ireto farany omaly teny amin’ny Motel Anosy. Efa tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta tamin’ny taon-dasa 2015 ihany koa ny fananganana ilay «comité ad hoc» fijerena manokana ny tontolon’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara iarahan’ireo minisitera samihafa naroson’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena saingy nolavin’ny minisitry ny asampanjakana sy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha ankitsirano izao. Sao mila fampihavanana ihany koa aza ireo samy mpikambana ao amin’ny governemanta mifanipa-kevitra ireto satria raha ireo mpitarika sy mpitantana no tsy mitovy hevitra dia zava-poana ny asa atao ary tsy ho araky ny niheverana azy ny vokatra mety ho azo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.