Nesorina tamin'ny toerany ny minisitry ny rano Rolland Ravatomanga, ka votendry ho minisitry ny rano, angovo ary ny akoran'afo i Lantoniaina Rasoloelison,
izay efa nitana ny toeran’ny minisitry ny vola fony nirotsaka ho filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina, ary izy no notendrena ho adminisitratera delegen’ny Jirama taorian’ny nanesorana an’i Nestor Razafindroriaka sy ny faharavan’ny filankevi-pitantanana notarihin’i Rachidy Mohamed. Tafaverina eo amin’ny toeran’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana kosa i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, izay efa nitazona io toerana io tamin’ny andron’ny tetezamita. Izy izany no nasolo ny toeran'i Andrianjato Vonison. Voatendry ho Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria kosa ny Jeneraly Randriamahavalisoa Razafindramaitso Girard, izay efa nitana ny toeran’ny lehiben’ny Etamazaoro tao amin’ny Toby Ratsimandrava, lefitry ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny andron’ny jeneraly Rakoto François Rodin, ary mpanolotsaina ara-miaramila teo anivon’ny primatiora nialoha ny nanendrena azy hisolo ny toeran’ny jeneraly Paza Didier Gérard. Notendrena ho Sekreteram-panjakana misahana ny raharaham-bahiny sy fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana kosa i Bary Emmanuel Rafatrolaza, izay efa olom-boafidy, ary minisitra lefitra lefitra tao anatin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ihany.
MBOLA MISY MALAZA RATSY TSY VOAKITIKA
Maro ireo minisitra efa malaza ratsy saingy tsy voakitika, toy ny minisitry ny Fitsarana Charles Andriamiseza, anisan’ny nahazo kiana mafy ka heverina fa sarintsarina fanovana hoenti-mampitony ny raharaha mafana toy ny resaka Claudine Razaimamonjy no anton’izao fanovana tampoka izao. Lonilony politika eo amin’ny TIM sy ny HVM no heverina fa antony nanesorana an’i Rolland Ravatomanga, izay tsy nahenoana laza ratsy. Nilaza anefa ny antoko TIM tamin’ny alalan’ny Guy Rivo Randrianarisoa omaly, fa tamin’ny alalan’ny tenany no nidiran’I Rolland Ravatomanga, ary efa notsofina rano izy. Nalaza tamin’ny resaka kolikoly goavana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana (ORTM) nisian’ny fanodinkokodinam-bola 400 tapitrisa ariary kosa i Andrianjato Vonison sy ny tale kabinetrany Nivo Ratiarison, izay efa voaheloka 5 taona an-terivozona any an-tranomaizina, ary mety henjehina ara-pitsarana ihany koa ity minisitra ity. Ny jeneraly Paza Didier Gérard kosa dia voalaza fa nalaza tamina resaka afera lehibe teto amin’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.