Politique

Governemanta Mikaondoha any Toliara


  • Alarobia 21 Jona 2017

Ny tolakandron’ny alatsinainy 19 jona 2017 no efa tany Toliara ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hanatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra andiany fahatelo tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hatao anio alarobia 21 jona.

 Nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, Keith Hansen ihany koa ny ny tenany sy ireo minisitra sasantsasany tamin’io. Vontoatin’ny fihaonana ny firesahana ny fitsidihana nataon’ny banky iraisam-pirenena tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy satria betsaka ny fotodrafitrasa natao tany. Iaraha-miasa amin’izy ireo ihany koa ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, ny fanomezana vola ny tokantrano mba hahafahana miady amin’ny fahantrana… Nampahafantarina ny banky iraisam-pirenena fa efa manao ezaka ny fitondram-panjakana. Miezaka manao izay fomba anampiana ny Malagasy amin’ny alalan’ny “transfert monétaire” ny banky iraisam-pirenena. Anisan’ny fangatahan’ny lehiben’ny governemanta tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny hanaparitahana any amin’ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara ny “Asa Avotra Mirindra” hahafahana miady amin’ny fahantrana. Nanaiky ny fangatahana nataon’ny praiminisitra ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena. Omaly talata 20 jona kosa dia nisy ny fitokanana fotodrafitrasa toy ny lalana, tsena, biraon’ny kaominina, toeram-piasana ary ny fametrahana vato fehizoro amin’ny hanitarana ny seranan-tsambon’i Toliara, izay nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny mpikamban’ny governemanta.

 


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT