Tonga tao Toliara ny tolakandron’ny alatsinainy 19 jona 2017 ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hanatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra andiany fahatelo izay tarihin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hatao rahampitso alarobia 21 jona.
Hotokanana ihany koa ny fotodrafitrasa toy ny lalàna, tsena, biraon’ny kaominina, toeram-piasana, ary ny fametrahana vato fehizoro amin’ny hanitarana ny seranan-tsambon’ny Toliara ny talata 20 jiona 2017. Nihaona tamin’ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, Andriamatoa Keith Hansen ihany koa ny lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra sasantsasany ny tolakandron’ny 19 jona. Anisan’ny votoatin’ny fihaonana ny firesahana ny fitsidihana nataon’ny banky iraisam-pirenena tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy satria betsaka ny fotodrafitrasa natao tany. Iaraha-miasa amin’izy ireo ihany koa ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, ny fanomezana vola ny tokantrano mba hahafahana miady amin’ny fahantrana… Nampahafantarina ny banky iraisam-pirenena fa efa manao ezaka ny fitondrampanjakana amin’ny ady amin’ny fahantrana. Miezaka manao izay fomba anampiana ny Malagasy amin’ny alalan’ny “transfert monétaire” ny banky iraisam-pirenena. Anisany fangatahan’ny lehiben’ny governemanta tamin’ny ireo mpiara-miombon’antoka ireo ny hanaparitahana any amin’ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara ny “Asa Avotra Mirindra” mba hahafahana miady amin’ny fahantrana. Nanaiky izay fangatahana nataon’ny Praiminisitra izay ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.