Araka ny loharanom-baovao iray, dia tsy mifankahazo ny minisitra miisa 3 ao anaty governemanta, kanefa samy olon’ny HVM avokoa.
Re mantsy fa tezitra amin’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena ireo mpikamban’ny governemanta sasantsasany. Aniisan’ny voatonona ny minisi-panjakana misahana ny fambolena sy ny fiompiana sady filoha nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao sy ny minisitry ny fahasalamana, Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Miady samy ho te ho lohany izy ireo, ary ny tena maha romotra ireto farany, dia voalaza fa mety ho kandida filoham-pirenena i Paul Rabary. Manana tombondahiny kokoa i Paul Rabary satria sady olona nianteheran’ny filoham-pirenena fony izy nirotsaka filoha, ary tsy mbola nihetsika teo amin’ny toerana maha minisitra azy mihitsy. Tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy ny haha kandida azy saingy tsikaritra ny fihetsiketsehana madinika ao amin'ny departemanta fa efa mamofompofona fampisongadinana ny tenany. Tahaka ny resaka fanamiana manokana (T Shirt sy polo) misy sainam-pirenena, ohatra. Efa niara-niasa tamin'i Edgard Razafindravahy i Paul Rabary tamin’ny taona 2013, saingy nivadika tany amin’i Hery Rajaonarimampianina avy eo. Na dia mafimafy ihany aza ny fanakianana mahazo azy sy ny minisitera tantaniny dia hita fa mailo sy malina ka tsy mba be resaka i Paul Rabary fa efa manana ny kajiny izy, hoy ny mpanara-baovao politika. Manampahaizana momba ny fiarahamonina ity minisitra ity, zanaka solombavambahoaka teo aloha ary mahafantatra tsara ny tontolo politika eto Madagasikara sy ny foto-pisainan'ny Malagasy. Mety manaitra ny hambom-pony izany ka haha kandida filoha azy. Tsy ho mora anefa ny lalana satria tsy hitazam-potsiny ry manga kravaty, ary izao efa hita izao sahady ny tsy fifankahazoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.