Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ny Frankofônia. Ny fandraisana ny Frankofônia na kaonferansa iraisam-pirenena dia tsy ratsy akory ary tena mety hitondra soa ho an'ny firenena mihitsy aza, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Teza, Ihanta Randriamandranto.
Ny fomba hanatanterahana azy no azo kianina, hoy ity minisitry ny jono tamin’ny tetezamita iraisana avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity, satria “ny vahoaka tsy niray hina tamin’io na tsy nampiraisina hina”. Tsy ampy ihany koa ny fanazavana avy amin’ny Governemanta amin’ny antony, dikany, lanjany ary ny fiantraikan’ny Frankofônia, hany ka izay rehetra natao na dia mety ho tsara aza dia voakiana avokoa. Nanjary tery vay manta ihany koa ny asa atao manodidina ny Frankofônia rehefa antomotra ny fotoana. Mitongilana ihany koa ny fitondrana, hoy hatrany Rtoa Ihanta Randriamandranto, hany ka tsy mety mahazo sitraka.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.