Politique

Governemanta Hanararao-paty ?


  • Sabotsy 27 Aogositra 2016

Banga iray ny mpikambana ao amin’ny Governemanta Mahafaly Olivier taorian’ny fahafatesan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Ramanantsoa Rodolphe. Safidy roa no ananan’ny mpitondra taorian’iny loza iny,

dia ny fanendrena minisitra vaovao na fanomezana io minisitera io hotantanin’ny minisitra hafa. Efa ela no nandrenesana fa mety hisy fanovana ny governemanta, ny praiminisitra koa moa vao nandray asa tamin’ny aprily 2016 dia efa nampiomana fa hisy ny tombana hatao afaka telo volana. Manoloana izany dia maro no mihevitra fa mety hohararaotin’ny mpitondra izao toe-draharaha izao izay tonga amin’ny fitenenana hoe hanararao-paty. Mandeha rahateo ny resaka fa misy amin’ireo minisitra no efa ratsiratsy fifandraisana amin’ny lohandohan’ny HVM sy ireo tandapa. Anisan’izany ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Rakotoarimanana Gervais izay voalaza fa tsy manaiky lembenana amin’ny tsindry ataon’ny olona akaiky ny filoha amin’ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny raharaha hafa. Malaza ny fandavan’ity minisitra ity ny fampidirana kaontenera tsy andoavana haban-tseranana saika hataon’ny olona milaza ho manana fifandraisana akaiky amin’ny filoha ka manosika mafy ny hanalana azy amin’ny toerany. Olana amin’ny fandakana azy anefa ny ezaka nataony ka nahazoana ilay famatsiam-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) mitentina 304,7 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena. Ny minisitry Fizahantany, Ratsiraka larovana Roland ihany koa dia voalaza fa manelingelina sy mitady hisongona ny mpitondra amin’ny fampisehoany fa mahavita zavatra ny tenany ary heverina ho mpifanandrina amin’ny HVM ny taona 2018 ka izay no mety hanalana azy dieny izao. Ny zava-nitranga nisesy teo anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny ihany koa voalaza fa maharatsy toerana ny jeneraly Anandra Norbert ka mety hitarika ny fanoloana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT