Mihotakotaka ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita). Omaly hariva dia naresaka ny fialan’ny ministry ny Fifandraisan-davitra eo anivon’ny governemanta FAT, Rahaingoson Iharizaka, rehefa nitana izany andraikitra izany nanomboka ny 5 mey 2010.
Araka ny loharanom-baovao dia nametra-pialana ity ministra ity noho ny dosie Madamobil. Anisan’ireo dosie navesatra tsy voavaha mihitsy ny olan’ity mpandraharaha iray mikasika ny finday ity. Araka ny voalazan’ilay ministra tamin’ny taratasy nataony ho an’ireo olom-peheziny anefa omaly dia noho ny antony izay tsy fantany mihitsy no tsy aneken’ny mpitondra ny fahafahan’ilay mpandraharaha hiasa an-kalalahana. Nolazainy ihany koa mantsy fa nanaraka ny fepetra rehetra nahazoana ny fahafahana mitrandraka ny zotram-pifandraisana finday eto Madagasiakra ity Madamobil ity. Ny mpitondra FAT hatrany an-tampony mihitsy anefa no tsy manaiky ny hamela malalaka ny Madamobil hiasa. Noho izay antony izay dia nametra-pialana ilay ministra. Izy no faharoa nametra-pialana taorian’i Ny Hasina Andriamanjato, praiministra lefitra misahana ny raharaham-bahiny ary efa nitana io departemanta nisy an-dRahaingoson Iharizaka io, faha governemanta Tantely Andrianarivo.
Etsy andanin’izay anefa dia nilaza indray ny avy eny Ambohitsorohitra fa tsy nametra-pialana ity ministra ity fa nesorina mihitsy satria “nangalatra” (?) Raha izay tokoa no marina dia inoana fa hisokatra ny fanadihadiana mikasika ny halatra nataon’ity ministra ity. Tsy maintsy hohenoina eny amin’ny Fitsarana izy raha izay tokoa ny marina. Raha mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy dia mazava fa noho ny resaka Madamobil tokoa no nahatonga ny fialan’ilay ministra fa tsy nesorina izy. Efa nisy tranga tahaka izao mihitsy koa mantsy ny mikasika ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, izay ministry ny foloalindahy teo amin’ny FAT teo aloha. Rehefa nesorina izy tamin’izany fotoana dia nolazaina fa nikasa ny hanongam-panjakana. Rehefa avy eo anefa toa tsy nisy tohiny ilay resaka. Sa fialana bala fotsiny ireny ? Ho hita indray ny tohin’ity resaka ministry ny Fifandraisan-davitra ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.