Politique

Governemanta FAT Nanao be midina any Tolagnaro


  • Zoma 22 Oktobra 2010


Any Tolagnaro renivohitry ny Faritra Anosy hatry ny omaly tolakandro ny delegasion’ny governemanta FAT, tarihin’i Camille Vital, praiministra. Nitsidika avy hatrany ny toerana fitrandrahana fasimainty sahanin’ny orinasa QMM ao Mandena izy ireo ary koa nizaha ny misy seranan-tsambo goavana ao Ehoala, zava-bita tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Fa ankoatra izay dia hiatrika ny lanonana famindrana fibaikoana ao amin’ny rezimanta miaramila 2/RM5 Tolagnaro ity delegasiona ity anio. Handao ny toerana ny kolonely Koto Arsène, ho komandy vaovao, hifehy an’i Betroka, Bekily, Sampona (Amboasary) ary Tolagnaro, kosa ny lietnà kolonely Jean Aimé. Araka ny fantatra dia hanararaotra izao dia izao ity delegasion’ny governemanta ity hanazava ny lalàmpanorenana sy hitaona ny olona hifidy. Moa tsy propagandy vita, hampandaniana ny ENY !

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT