Politique

Governemanta Camille Vital “Tsy mahomby = zéro”, hoy Rtoa Saraha Georget


  • Alatsinainy 27 Jona 2011

Tsy nitsitsy fitenenana ary sahy nandray ny andraikiny ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rtoa Saraha Georget Rabearisoa nilaza teo anatrehan’ny mpiara-dia aminy, fa “governemanta tsy mahomby ka “zéro” ny governemanta misy ankehitriny ity.

 Tsy tanterany izay ataony, fa lany andro manilika andraikitra amin’olona tsy mifaningotra amin’ny zava-misy akory”. Nandritra ny lanonana natao nankalazana ny faharoa taona nijoroan’ny antoko, tao amin’ny Espace Stella Maris Morarano Toamasina no nanambarany an’io ny sabotsy 25 jona teo. Notanisainy, nentiny nanamarinana izany fa ny ministeran’ny vola sy ny tetibola dia ny fanerena ny mpandraharaha sy ny orinasa efa sempotry ny krizy foana no hainy, ny ministeran’ny fambolena indray variana amin’ny adilahy politika ka hadino ny tantsaha, ny ministeran’ny raharaham-bahiny koa tsy nisy nahomby ny dinika nataony tany ivelany, hany ka tsy maharesy lahatra ny asan’ny diplomasia Malagasy, ny ministeran’ny tontolo iainana resa-be fotsiny fa tsy arany akory ny fiarovana ny ala sy ny fanondranana bolabola, hany ka efa any Maorisy vao tratra ny kaontenera enina feno “bois de rose”. Ireo ministera hafa moa dia tombontsoa sy ady seza ary ady fahefana fotsiny no manjaka ka ny tena asany indrindra no tsy vitany …”.

Notsiahivin-dRtoa Saraha Georget Rabearisoa fa “efa nilokaloka ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ny taona 2010 fa ny volana mey 2011 dia vita avokoa ny fifidianana rehetra ary filoha vaovao no hitantana ny fetim-pirenena 2011, nefa inona no teo fa lasa nitatra ihany ilay tetezamita. Ho tapitra amin’ny volana novambra izao avokoa ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna sy ireo olom-boafidy tsy mbola naaton’ny FAT rehetra tamin’ny asany, ka manomboka eo izany ho olom-boatendry avokoa no hitantana eto. Inona no maha fanovana sy maha demokrasia misy eto amintsika amin’izany ?”. Koa “mila faranana ny tetezamita, ary haingana izany fa efa mijaly ny vahoaka, mijaly ny orinasa, mijaly ny mpiasa ary mijaly ny firenena”, hoy Rtoa Saraha Georget Rabearisoa.

“Tsy Maintsy renim-pianakaviana no filoham-pirenena amin’ireo 50 taona manaraka ny niverenan’ny fahaleovantena izao”, hoy ny hiakan’ireo mpiara-dia amin’ny Maitso. Efa nitondra ary nahavita ny lehilahy, fa mila reny hanatsara ny asa bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Malagasy maro, indrindra fa ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara.

 

Rakoutou

 

Sary : Hetsiky ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara tao Toamasina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT