Mety ho amin’ny faran’ity herinandro ity na amin’ny fiandohan’ny herinandro ambony io, ny fanovana indray ny mpikambana eo anivon’ny governemanta Camille Vital, araka ny resaka manomboka mivoaka eny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo eny.
Tsy maintsy hiroso amin’izany mantsy ny HAT taorian’ilay Teny Ifampierana notanterahana teny Ivato ny 4 sy 5 martsa lasa teo. Nilaza ny Praiminisitra Vital omaly fa efa nisy ny fampiantsoana ny ankolafy rehetra, efa nisy ny namaly, ka mandeha fakan-kevitra hitiliana izay ho Minisitra. Raha ny voasoratra amin’ny andininy faharoa amin’ny fifanarahana politika nivoaka nandritra ny atrikasa teny Ivato dia voatazona ho praiminisitra i Camille Vital, saingy ho maromaro kosa ireo minisitra hosoloina ao amin’ny governemantany. Misy amin’ireo minisitra am-perinasa izay niara-dalana tamin’i Andry Rajoelina hatrizay tokoa mantsy no manomboka manita-tsaina, araka ny resaka mandeha ihany ka tsy atokisan’ny filohan’ny HAT intsony. Tsy vitsy amin’izy ireo ihany koa no tsy tia miara-miasa amin’i Camille Vital, hany ka tsy mety tsara intsony ny ambiansy eo anivon’ny governemanta.
Ny praiminisitra rahateo, araka ny filazan’ireo olona mahafantatra azy tsara dia tsy tia mihatsaravelatsihy sy mamilivily resaka fa vantaniny avy hatrany raha vao tsy mifanaraka amin’izay eritreretiny. Na dia tsy misy firy aza ny asa atao, dia mihetsiketsika ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta satria samy te hitazona ny toerany ; ao ny miasa irery ao kosa ny miara-miasa ka mivory matetika. Araka ny resaka mandeha ihany koa dia misy amin’ireo manampahefana ambony, misy minisitra tafiditra ao anatin’izany, no tsy mankasitraka loatra ny fomba fiasan’i Andry Rajoelina sy ireo olona manodidina azy. Mandeha aza ny feo fa misy olona ambony, manana dosie maloto nataon’ny mpitondra sasany amin’izao fotoana ; ka raha sanatria raikitra tampoka ny fanilihana azy ireo dia ho avy ny ampamoaka sy ny fampahafantarana ny besinimaro izany dosie maloto izany. Efa mpitranga teto amintsika ihany moa izany, rehefa voailika na voasolo tamin’ny toerany ny olona iray dia mamoaka tsikelikely ireo tsiambaratelo ary lasa mivadika manohitra ny fitondram-panjakana mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.