Politique

Governamanta Vital Misy minisitra telo mikasa hametra-pialana


  • Talata 23 Martsa 2010

Mandeha be ny feo taorian’ny nivoahan’ny listr’ireo olona 109 manana andraikitra ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita voalaza fa sakana amin’ny fampiharana ny vahaolana hamahana ny krizy efa mitarazoka an-taonany eto Madagasikara, fa misy minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta Vital mikasa ny hametra-pialana.

Telo izy ireo raha ny feo mandeha. Tsy fantatra mazava ny antony manosika azy ireo hametra-pialana raha tapa-kevitra tokoa fa tsy hihemotra. Na izany aza dia ny loharanom-baovao no milaza fa mila mahazo antoka izy ireo fa raha miala ao amin’ny governemanta dia tsy tratry ny arakaraka amin’ilay sazy nampiharin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha izay no izy, dia mety ho fanapahan-kevitra teraka tamin’ny fahitana an-dry Monja Roindefo sy Ny Hasina Andriamanjato tsy tao anatin’ny lisitr’ireo 109 voasazy ny an’ireto Minisitra te hiala ireto, satria mety mihevitra izy ireo fa ny fametraham-pialana mialoha ny fotoana no mety tsy nahavoasazy azy ireny. Hatreto anefa dia tsy misy milaza fa mijanona amin’iny lisitra navoakan’ny filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina tamin’ny 17 martsa iny ireo voasazy na mbola hisy lisitra tovana. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT