Politique

Gilbert Raharizatovo Mitsikera ny Fahefana Avon’ny Tetezamita


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010

Manamafy hatrany ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafin-kery maro samihafa (tsy voatery ho efatra fotsiny) i Gilbert Raharizatovo, minisitry ny kolontsaina ao amin’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ary filohan’ny antoko RPM.

 «Hita fa tafiditra anaty krizy lalina ny firenena, tsy nandaitra ireo karazana drafitra novolavolaina hatrizay, tahaka ny satan’i Maputo ary na ireo mpanelanelana iraisam-pirenena aza dia tahaka ny efa miala bala fa tsy mivaky loha firy intsony amin’ny krizy misy eto amintsika», hoy izy raha nivahiny tao amina fahitalavitra tsy miankina iray, ny zoma alina lasa teo. Miaiky ity minisitra ity fa mikatso ny raharaham-pirenena, ary misy ny karazana savorovoro amin’ny fitantanana ny tetezamita. Tsy tokony hahagaga anefa izany, hoy ihany izy, satria izay no maha tetezamita azy, ary aza adino fa vao niala tamin’ny fitondrana notantanan’olon-tokana nandritra ny fito taona i Madagasikara ka somary mbola mikaviavia ihany mizotra any amin’ny fanovana. Nambaran’i Gilbert Raharizatovo fa vonona hanelanelana amin’ny fikatsahana vahaolana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ny antoko tarihany sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy vahaolana, hoy izy ny fanaovana be marenina sy ny fampiasan-kery fa tokony hiverina amin’ireo soatoavina maha malagasy antsika isika dia ny fanajana sy fampiharana ny fihavanana. Mikasika ny foloalindahy sy ny siosion-dresaka mikasika ny fanonganam-panjakana, dia nambarany fa misy tokoa ny zavatra tsy milamina eo anivon’ny tafika, ary mampatahotra izany raha tsy voavaha haingana.

Mila mitandrina tsara anefa ny manampahefana amin’ny famahana ny olana, hoy ihany izy, satria tsy mitovy velively ny sivily sy ny miaramila. Raha nisy marina ny manamboninahitra voarohirohy tamin’ny resaka fanonganam-panjakana ka anana porofo dia tokony hisy ny fisamborana sy ny fanaovana fanadihadiana raha ny hevitr’ity minisitra ity. Niaiky koa i Gilbert Raharizatovo, izay mpanao gazety teo aloha, fa marofy ny serasera eo anivon’izao fitondrana tetezamita izao. Raha eo amin’ny resaka fitantanana indray dia nilaza izy fa tsy tokony hitovy tamin’ny fitantanana ny olona nitolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny fitantanana ny firenena. Notsipihany mazava ihany koa fa arakaraka ny mampitarazoka ny famahana ny krizy politika no ipoiran’ny karazana krizy isan-karazany etsy sy eroa, ka izay no antony tsy tokony hilalaovana ny famahana ny krizy satria mety ho tonga any amin’ny ady an-trano ny raharaha raha mitarazoka. Ekena mantsy, hoy izy fa mahari-pery ny Malagasy, saingy na izany aza tsy tokony hohararaotin’ny mpanao politika fa loza rehefa ny vahoaka no tezitra ka mitroatra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT