Politique

Gidragidra 2002 ? Razana marobe hita tany Sambava


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Nahoraka tao Sambava omaly alarobia 12 oktobra 2016 tamin’ny nahitana taolam-paty marobe nilevina tao anaty fasika. Teo amin’ny toram-pasik’Ampandrozonana, toerana nahafefika ilay zanaka trozona tamin’ny 15 aogositra 2016 ka nifandrombahan’ny mponina nohanina ny henany.



Mpaka fasika no nahita ireo taolam-paty, rehefa nihady teo amin’ny 5 metatra teo ny halaliny. Voatery nifindra toerana tsy lavitra ry zareo naka fasika, nefa mbola nahita taolam-paty hatrany, nipoitra tsikelikely ka izay no nanaitra azy ireo satria tsy toerana fandevenana na nisy fasan-drazana eo fa toeram-pitsangatsanganana.

Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo mpaka fasika fa « tsy tonga ireo » fa ny mpanao gazety no tonga nialoha teo amin’ilay toerana. Misokatra ny fanadihadiana, fa raha ny tombatombana dia mety ho anisan'ireo olona be dia be nambara fa very faty tamin'ny raharaha 2002 ireto nisy nandevina teo amoron-dranomasina Ampandrozonana ireto.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT