Anisan’ireo hita teny Isoraka nandritry ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ilay boky politika mitondra ny lohateny hoe “Dina fanorenana ifotony”
omaly ny Sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka Miray na VAMI, Ghaby Vakiniadiana. Naneho ny heviny ihany koa izy mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ary dia nosinganiny manokana ny mikasika ny zava-niseho omaly tao Soamahamanina. Nambarany fa porofo iray maneho ny maha maizin-kitroka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny io zava-miseho any an-toerana io. Hita miharihary ihany koa fa efa mitady hiala aina ny fanjakana ankehitriny. Ny fanambazana vola, hoy ny fanazavany, fa hany vahaolana hitan’ny fitondram-panjakana hitazonana ny toerany. Ny fidirana amin’izany lalana izany anefa dia porofona fahalemena. Nankahery ireo vahoakan’i Soamahamanina moa ny tenany ary nilaza fa zon’ny vahoaka ny miady ho an’ny tanindrazany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.