Efa hatramin’ny voalohany izahay, hoy Ghaby Vakiniadiana, sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka Miray na ny Vami, no nilaza fa tsy mahasoa vahoaka ny rafitra misy eto fa nataon’ny mpitondra itazomana toerana fotsiny.
Hita miharihary izao anefa fa voahitsakitsaka ny lalàm-panorenana. Mijaly ny vahoaka ary manaporofo izany ny fitombon’ny mpatory an-dalana sy ny halatr’omby sy rehefa mety ho endrika fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Amin’ny maha vahoaka miray dia toherinay hatrany ny tsy mety ataon’ny fanjakana amin’ny vahoaka. Marina, hoy hatrany izy, fa toy ny mizarazara sy tsy fantatra intsony amin’izao fotoana ireo mitonona azy ho mpanohitra ka ao ny manatsaratsara ny fitondrana, ao ny manongana, mety misy koa ny mitady seza. Ho anay Vami kosa dia tsy hilamina izahay raha mbola misy fijaliam-bahoaka eto Madagasikara fa hijanona ho mpanohitra hatrany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.