Politique

GETM Tsy vahaolana ny fifidianana


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Mihitsoka tanteraka ny fiainam-pirenena ankehitriny. Izay dinika rehetra natao, nolazaina fa hikaroham-bahaolana dia nitsefotra avokoa hatreto, nanomboka tamin’ilay hoe Dinika Santatra ka hatreny Vontovorona.

Ho an’ny Groupement pour l’Edification de la Théocratie à Madagascar na GETM àry dia manemotra ny famahana ny olana amin’ny alalan’ny fifidianana ho amin’ny taona 2011 ireny, kanefa efa tsy tantin’ny Malagasy intsony ny fahoriany, tsy famahana ny krizy fa vao mainka hanampy trotraka ny krizy efa misy ny fifidianana. Fifidianana izay heverin’ny GETM fa tsy kolontsaina Malagasy. Manamafy àry ny GETM fa tsy ho takatry ny sain’olombelona ny famahana ny olana eto Madagasikara fa Andriamanitra irery ihany no hany hanafaka ny Malagasy amin’izao fahasahiranana lalina izao. Heverin’ity vondrona ity àry fa ny firosoana avy hatrany amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny Alahady 10 oktobra 2010 izao ny volavolan-dalàmpanorenana teokratika izay efa napetrak’izy ireo teny amin’ny komity filankevitra momba ny lalàmpanorenana.

Ambaran’ny GETM àry fa fanontaniana tsara apetraka amin’ny vahoaka amin’io andro io ny hoe “Ekenao ve amin’ny alalan’ity volavolan-dalàmpanorenana ity raha ilay Mpahary izao tontolo izao mihitsy no hitondra ny firenena mba hialana amin’izao fisaraham-bazana sy fahantrana izao sy hitondra anao ho amin’ny fiainana mandrakizay ary hahitanao indray ireo hava-malalanao izay efa lasa nodimandry ?”. Araka ny fanazavan’ny GETM dia hamarana ny tetezamita alohan’ny faran’ny taona io fitsapan-kevi-bahoaka io satria tsy hisy intsony ny fifidianana fa ny fanendrena no hasolo azy, araka ny foto-kevitra teokratika. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT