Nihetsika indray ny GETM na ny « Groupement pour l’Edification de la Théocratie à Madagacar » tarihin’Atoa Raharimala Andriampenomanana ka nanao antso avo ho an’ny filoham-pirenena Malagasy,
Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny alalan’ny famoriana mpanao gazety teny Antaninarenina omaly, mba hanova ho Fanjakan’Andriamanitra ny Repoblika fahefatra fa mijaly loatra ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Tsy ara-baiboly ny demokrasia, hoy izy, fa asan’i Satana ka tsy mety amin’ny Malagasy. Ny mety aminy amin’ny maha zanak’Israely azy sy amin’ny Hebreo azy dia ny fanjakam-pisorona izay natolotr’Andriamanitra an’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitr’i Sinay. Efa manana volavolan-dalam-panorenana hampiharina amin’ny Teokrasia ry zareo GETM izay tsy noraharahiana tamin’ny fifidianana lalàmpanorenana farany tamin’ny 2010 ka tsy mahagaga ny fisehoan’ny tsy fandriampahalemana (halatra, halatra omby, vono olona, fitsaram-bahoaka, doro trano, kidnapping, kolikoly, détournement des deniers publics), ny fanjakan’ny vahiny amin’ny tanintsika sy ny fankanesan’ny mpitondra mankany ivelany mba itadiavana vola hotrosana ary ny mahalasa firenena mahantra indrindra eto an-tany ny firenena Malagasy. Manao sosonkevitra ity fikambanana GETM ity ny hamoahan’ny Filoham-pirenena ankehitriny didy hitsivolana ho fandravana ny Repoblika fahaefatra arahin’ny fandravana ny antenimiera roa tonta ary ny fananganana fanjakana tetezamita izay misy filoham-pirenena sy governemanta tarihana praiminisitra izay ny filoha ankehitriny no hisahana ireo miaraka ary ny fananganana ny fitsarana avon’ny tetezamita. Mbola soso-kevitry ny GETM koa ny hanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka ny alarobia 4 oktobra 2017 ho avy izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.