Ofisialy ny fisintahan’ny minisitry ny vola sy ny tetibolam-panjakana Gérvais Rakotoarimanana ao anaty governemanta, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny Hotely Carlton omaly tamin’ny 11 ora antoandro.
Ny zoma 14 janoary no efa nametrahany ny taratasy fametraham-pialana tamin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena, ary ny alahady hariva no efa saika hanao fanambarana izy, saingy nihemotra. Fitiavan-tanindrazana no nanosika ahy hiverina teto Madagasikara, raha nangatahin’ny filohan’ny Repoblika hitantana ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ary ny tanjoko dia ny hahatonga ny nosintsika ho toy ireny firenena manankarena rehetra ireny satria azo atao tsara. Mila fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa amin-kitsim-po anefa izany. Tsy mora taminy ny nanatanteraka ny andraikitra noho ny tsy fahampian’ny tosika hahafahana miroso lalina amin’ireo fanavaozana samihafa tokony hatao, araka ny nambarany. Teo ihany koa ny tsy fitovian’ny fomba fijery na fomba fiasa tsy mitovy. Tsy feno ny fepetra hahafahako manohy am-pahombiazana ny fanavaozana rehetra mbola miandry, hoy hatrany i Gervais Rakotomanana. 2 taona sy tapany no nitantanany ity minisitera ity, ary nilaza izy fa be ny zava-bita na dia fotoana fohy monja aza no nitazonany izany toerana izany: fankatoavan’ny Filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny taorian’ny fanombanana ny ezaka natao, ka nivoahan’ny vola 86 tapitrisa dolara tamin’ny volana jona, fampanantenan’ny mpamatsy vola amin’ireo tetikasa laharam-pahamehana mitentina 6,2 lavitrisa dolara, fankatoavan’ny banky iraisam-pirenena ny “cadre de partenariat strategique” 2017-2021, izay mitentina 1,3 lavitrisa dolara. Ho azontsika ihany koa ny famatsiam-bola fahatelon’ny FEC rehefa vita ny tomban’ezaka, ho izy. Marihina fa niasa sy nipetraka tany Kanada i Gérvais Rakotoarimanana nialoha ny niantsoana azy ho minisitra.
Tsy nanaiky notsindritsindriana
Tsy mbola nisy izany minisitra nametra-pialana izany raha tsy izao, ka inoana fa tsy hijanona eo ity raharaha ity fa hisy ny zavatra na resaka hafa tsy hampoizina hivoaka aorian’izao. Azo ambara ho vaky tanteraka ny adin’ny HVM matoa efa aty amin’ny minisitera stratejika tahaka izao no ahitana olana sy fanabaribariana ny tsy fitoviam-pijery. Raha ny resaka efa nivoaka hatrizay, dia maro ny tsindry nataon’ireo lava tanana ao anaty fitondrana tamin’i Gervais Rakotoarimanana, saingy nijoro sy tsy nanaiky lembenana ny tenany, indrindra amin’ny tokony hitantanana amin’ny fomba hentitra sy mazava ny volam-panjakana, ka izay no naharomotra ireo efa zatra manao ampihimamba sy manao izay danin’ny kibony. Akaiky kokoa ny mpamatsy vola anefa ity minisitra ity, ary heverina fa hisy fiantraikany amin’ny tontolo politika eto an-toerana ary hiantraika amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena izao toe-javatra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.