Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpandinika raharaham-pirenena Gérard Ramamimampionona manoloana ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny.
Diso manampatra fahefana loatra mantsy izy ireny, hoy ity farany sady lasa herim-pamoretana ho an’ny vahoaka ihany koa. Mila ovaina mihitsy ny anarana iantsoana azy. Raha mety ireo mpandala ny teny Malagasy eto amintsika, hoy izy dia tokony hatao hoe : mpindram-pahefana no anaran’ireo manampahefana eto amintsika satria nindramina tamin’ny vahoaka ny fahefana ananany ary tsy maintsy haverina amin’ny vahoaka rehefa tonga ny fotoana. Ny hahafahana mandrindra ny fiarahamonina ialana amin’ny hantsana goavana manelanelana ny mpitondra sy ny vahoaka ankehitriny no antony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.