Antoko politika faha-190 niforona eto Madagasikara sy voarakitra amin’ny rejisitry ny antoko politika eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny Antoko Politika Madio na ny APM, araka ny fanazavan’ny filohany, Rakotoarisoa
Faniry Alban, fantatry ny rehetra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe : Gangstabab. Mahamenatra fa eto amina firenena kely tahaka an’i Madagasikara no misy toy izany, hoy izy. Latsaka an-katerena anefa ny firenena ka dia voatery nanangana ny APM izahay. Antony nanohanany ny hetsika Mitsangana ry Malagasy, izay natao teny Andrefanambohijanahary ny sabotsy teo moa io antony io. Tsy ekena intsony ny fitondrana manome vahana vahiny. Toy izany ihany koa ny vahiny manome vahana ny fitondrana. Ny zava-misy dia lasa tsy mangarahara ny fitantanan’ny fitondrana ireo famatsiam-bola azo avy any ivelany fa zary lasa tsikombakomban’ireo mpitondra sy mpamatsy fotsiny. Mpitondra vaovao mihitsy, hoy ny tenany, no takiana eto amin’ny firenena ary tokony ahena ho iray ampahatelony (1/3) amin’ny fahefan’ny mpitondra izay misy amin’izao ny fahefan’izay ho avy eo. Somary nasiatsiaka ihany koa moa ny hafatra napetrak’ity mpanao politika ity tamin’ireo mpanao gazety mpanohana ny fitondrana ankehitriny satria araka ny nolazainy dia tsy tokony ho faly manaratsy mpanohitra fotsiny ireto farany fa mila mandinika ny zava-misy. Hidio ny orinasa na mialà rehefa izany no atao, hoy izy.
Faralahimatoa
Rakotoarisoa Faniry Alban, filoha mpanorina ny Antoko Politika Madio (sary Rakotobe)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.