Politique

Gadra politika Voarara tsy azo vangiana !


  • Talata 16 Novambra 2010


Nohamafisina ny fiambenana ny fonja, indrindra izay itazomana ireo gadra politika sy ireo olona voarohirohy noho ny krizy 2009-2010. Voakasik’izany ny etsy Antanimora misy an-dry Ralitera, toy izany koa ny ao Ambatolampy itazomana an-dry Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary pastera Tsarahame Edouard hatramin’ny alakamisy 11 novambra 2010 sy ny ao Toliara itanana am-ponja azy fito mianaka, dia Rabeony Mandridake, Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso dit Marin, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita ary Bonnaure Sazalahy, noho ny raharaha Soatalily nitranga ny 27 aogositra 2010. Baiko midina ary hentitra no azon’ny mpiandry fonja ny faran’ny herinandro teo, mandrara tsy ahazoana mamangy ireo gadra politika ireo. Ho an-dry zareo ao Ambatolampy dia tonga namangy azy ireo tany Raharinaivo Andrianatoandro ny alahady teo. Ho an’ny ao Toliara dia nankahery azy fito mianaka ireo koa i Monja Roindefo sy ry Masimana Manantsoa tamin’ny fotoana nandalovany tany. Ireo mpiara-mitolona hafa te hamangy kosa tapi-dalan-kaleha fa nikatona ny varavarana. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT