Politique

Gadra politika Nahazo fahafahana vonjimaika i Riri be «ZATOVO»


  • Alakamisy 11 Martsa 2010

Nivoaka ny fonjan’Antanimora nitazonana azy omaly Rakotomanana Henri fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Riri be, filoha mpanorina ny Zanak’i Toamasina Vonona na «ZATOVO».

Fivoahana vonjimaika ihany anefa, fa ny Fitsarana no hamaritra ny aminy. Anisan’ireo gadra politika, niditra am-ponja tao anatin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao i Riri be. Fikotrehana adim-poko, fitaomana mpianatry ny oniversite hitokona no anisan’ny nanenjehana ka nampidirana am-ponja azy. Nilaza i Riri be, teo ampivoahana ny fonja omaly fa mbola hisy ny fotoana hilazany ny marina manodidina ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja azy. Milaza ho tsy afa-po amin’ny fivoahany izy, ny antony dia mbola fahafahana vonjimaika no azony, faharoa mbola betsaka araka ny nambarany ireo gadra politika voatana am-ponja tsy voatsara ny ankamaroany.

Marihina fa anisan’ny nahazo famelan-tsazy tamin’i Andry Rajoelina i Riri be, filohan’ny «ZATOVO». Nanohitra ny fanendrena an’i Alain Mahavimbina ho lehiben’ny Faritra Atsinanana ihany koa ny tenany, nisy mihitsy ny filaharambe niainga avy teo amin’ny tranon-jiro Ankirihiry ary niafara teo amin’ny lycée teknika nanehoan’izy ireo izany fanoherana izany. Ny lehiben’ny Faritra Atsinanana rahateo no namarana ny fanendrena nataon’ny FAT tamin’ny volana mey 2009.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT