Politique

Gadra politika mila voatsiary Tsy mahalala afa tsy tombontsoa


  • Alakamisy 11 Aogositra 2016

Tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fomba firesaka sy fihetsiky ny mpanao politika sasany eto amin’ny firenena ankehitriny.

 

 Manao ny ataony indray ny fikambanan’ireo gadra politika rehefa tsy heno nandritra ny fotoana elaela. Manery ankolaka ny fanjakana amin’ny hanomezana tombontsoa azy mitovy amin’ny fikambanana AV7 izay mahazo avara-patana amin’ny fitondrana ankehitriny izy ireo. Toa namosavy tena ny fanjakana noho ny fanambazana ireo mpanao politika hiaro azy ka misesisesy ny fitakiana ara-politika ary manao izany avokoa ireo tsy mitady afa tsy ny tombontsoany. Raha ny fahitana ny fitakian’ny fikambanan’ny gadra politika dia mody sarontsaronana amina fivoizana fampihavanam-pirenena ny resaka fa ny tanjona dia ny hanomezana toerana sy hahazoana tombontsoa manokana. Velom-panontaniana ny vahoaka hoe : inona no zava-bitan’ireo gadra politika ireo teto amin’ny firenena ? Raha ny zava-misy no halalinina dia toa mampirisika ny mpanao politika hanaotao foana izao zavatra ataon’ny Fikambanan’ny gadra politika izao ary ho lasa tombontsoa ny fidirana am-ponja noho ny resaka politika rehefa avy mahazo famelan-tsazy. Raha fahafaham-baraka ny fidirana am-ponja noho ny resaka politika dia lasa paikady hahazoana fanohanana sy toerana ankehitriny raha ity fitakiana ity no tanteraka.

                                                                                                       Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT