Politique

Gadra politika Marary mafy ny 2, ny 1 hafa tsy mahateny intsony


  • Alakamisy 08 Aprily 2010


Rehefa nahatsiaro fa tsy noraharahaina ary nohitsakitsahina mihitsy aza ny zon’izy ireo dia nanapa-kevitra ireo gadra politika 18 voafonja eny Tsiafahy fa hanao fitokonana tsy hihinan-kanina. Araka ny vaovao àry dia marary mafy ny 2 amin’izy 18 ireo, ny 4 reraka tanteraka ka ny 1 amin’ireo 4 ireo dia taizan’aretina, ny 1 hafa kosa dia tsy mahateny intsony, araka ny vaovao ihany. Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ireo voafonja politika dia tsy ny eny Tsiafahy ihany no mitokona tsy misakafo fa ireo 30 mahery eny Antanimora ihany koa. Ho an’ireo fianakaviana moa dia voalaza fa tandindomin-doza ny fiainan’izy ireo sy ny fiainan’ireo voafonja. Efa misy tamin’ireo voafonja ireo no efa voatazona teny nandritra ny 11 volana kanefa tsy mbola nisy fanadihadiana na koa fitsarana. Tsy nanara-dalàna na ny nitazomana azy ireo na ny nisamborana azy ireo. Nandefa taratasy any amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena isan-tokony moa ny fianakavian’ireo voafonja hanairana momba ny zava-misy eto amin’ny firenena satria tandidonin-doza ny havany ary tsy ny havany ihany fa ny fiainan’ny fianakaviana mipaka hatramin’ny firenena manontolo.

Nangonin’i Soa         

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT