Politique

Gadra politika 42 no mihitsoka ao Antanimora


  • Alarobia 02 Jona 2010

Taorian’ny nivoahan’i Tonton Ambroise, filoha nasionalin’ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Libéral) sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste», izay voaheloka valo volana sazy mihantona sy ireo olona dimy tompon’ny fanamafisam-peo noraofin’ny Emmo-Reg teny Behoririka, izay voaheloka enim-bolana sazy mihantona eny Antanimora, dia fantatra izao fa mbola miisa 42 ireo gadra politika tavela ao amin’ity fonja ity.

Efatra amin’ireo ihany anefa no voatsara hatramin’izao dia ireo nosamborina taorian’ireny raharaha 29 martsa 2010 teny Ambohijatovo ireny. Anisan’izany Rangodinarison Guillaume, nanao asana Sécurité tao amin’ny Magro. Nofonjaina maina amin’izao, voatana am-ponja vonjimaika, tsy mitsara avokoa ny ambiny. Ireo miaramila nisahana ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no ela indrindra amin’izy ireo. Misy dimy lahy izy ireo tarihin-dRalitera Andrianandraina lehibeny, voapanga ka voatana ao Antanimora. Mifamahofaho be ihany ny resaka iampangana azy ireo. Voaresaka hatramin’ny raharaha 07 febroary 2009 sy ny vono olona teny Ambohijatovo nitranga ny volana aprily 2009 koa. Hatreto anefa, tsy mandroso tsy mihemotra ny fanadihadiana sy ny raharaham-pitsarana momba izany, na eo aza ny feo miely tato ho ato fa hatao ny 15 jona izao ny fitsarana ny «raharaha 07 febroary». Vehivavy ny telo amin’ireo gadra politika voatana eny Antanimora ireo, dia ny mpisolovava Rabemananjara Noro, Rtoa Sandra izay samy niditra tao hatramin’ny 08 jolay 2009 miampy an’i Josiane Ranaivo mpanao gazetin’ny radio Fahazavana, niditra ny 27 mey 2010.

Nisy folo izy ireo ny mpiasan’ny radio Fahazavana, ka mpanao gazety ny enina, teknisianina ny roa ary mpiambina ny roa ambiny. Voasokajy ho gadra politika niditra farany tao Antanimora izy ireo. Mpitandrina eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny roa amin’izy ireo, dia Rafanonerantsoa Valisoa, filohan’ny STK Foibe, voasambotra teny amin’ny Mausolée ny 20 mey raha ndeha hifampidinika tamin’ny miaramilan’ny Emmo-Reg sy ny FIS niaraka, nodarohana ary nofonjaina. Tsaboina ao amin’ny HJRA moa ity pasitera ity ankehitriny noho ny vono nataon’ny miaramila azy. Vao avy natao fanadihadiana lalina tao amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny alatsinainy 31 mey teo izy. Mpitandrina FJKM faharoa fonjaina eny Antanimora i Tiburce Soavinarivo, izay sady manao asan-gazety ao amin’ny Radio Fahazavana ihany koa. Ny raharaha Radio Fahazavana no mahavoarohirohy azy. Ny zoma 21 mey izy no nalaina tany an-tranony. 38 no miandry fitsarana eny Antanimora amin’izy 42 gadra politika voatana eny. Maro amin’izy ireo anefa no tsy mbola nandalo akory ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana, na teo aza ny fitakiana samihafa sy fanerena ataon’ny firaisamonim-pirenena, mpanao politika ary fikambanana iraisam-pirenena momba izany.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT