Politique

Gadra politika 2009 Parlemanteran’i Vakinankaratra no nisantatra ny fonja


  • Zoma 23 Aprily 2010


Ny lasa tsy fanadino. Herintaona katroka anio raha ny daty ary omaly alakamisy raha ny andro no nisamboran’ny hery famoretan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teny Ambatoroka teny ireo Parlemantera efa-dahy voafidy tany Vakinankaratra dia ny Loholona Rabenatoandro Lanto sy ny Solombavambahoaka isany Randrianjatovo Henri (Faratsiho), Rakotomamonjy Mamisoa (Ambatolampy) ary Rakotozandry Raymond (Mandoto). Voasambotra ny alakamisy 23 aprily izy ireo, tsiahivina ihany, ary nentina avy hatrany teny amin’ny CNME Ambohibao teny hatao fanadihadiana. Nampangaina ho mamatsy vola ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tao Ambohijatovo ireto Parlemantera ireo, ary natao hazalambo ary tratra teny Ambatoroka teny. Naseho ankarihary ny endrik’izy ireo raha vao tratra, manginy fotsiny ny nampiravahan’ireo miaramila azy ireo, ny sarin’ny filoha Marc Ravalomanana. Niharan’ny herisetra ihany koa. Nisesy ny fanambarana nanomboka teo. Ny andron’ny nisamborana azy ireo ihany dia nanao antso avo tamin’ny miaramila i Manandafy Rakotonirina, izay vao avy notendren’i Marc Ravalomanana ho Praiminisitra herinandro talohan’io, mba hamoaka tsy misy hatak’andro ireo Parlemantera ireo. Nanao antso avo amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny miaramila koa i Marc Ravalomanana, ny 30 aprily, hamotsotra azy ireo tsy misy hatakandro ary tsy misy maratra. Namoaka fanambarana koa ny « Union Interparlementaire » izay nanapa-kevitra ny hampiato ny Parlemanta malagasy teo anivon’ny Fikambanana noho io fisamborana Parlemantera io…

Tsy nijanona teo moa ny raharaha fa niakatra fampanoavana ary dia notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olom-boafidy ireo.
Ny voalohandohan’ny volana mey 2009 dia nisy diplaomaty vahiny vitsivitsy tonga nijery ny fomba itazonana azy ireo tao amin’ny fonjan’Antanimora, fitsidihana izay nahazo ny fankatoavan’ny governemanta tetezamita. Anisan’izany ny masoivoho amerikanina, Niels Marquardt, ny diplaomaty frantsay Jean Marc Châtaigner, ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Mokgethi Samuel, ny mpiandraiki-draharaha alemana, Marja Eilig-Heidenhof, ary ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina miasa eto Madagasikara, Maria Becceril Parez.
Herintaona an-tranomaizina sazy mihantona. Io no sazy nambaran’ny Fitsarana mikasika ireo Parlemantera efa-dahy avy ao Vakinankaratra ny talata 18 aogositra 2009. Tsy tonga teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy izy efa-dahy tamin’io fa ny mpisolovava azy ireo sy ny fianakaviany no niandry ny fivoahan’ny didy. Fanohintohinana ny fandriampahalemana, fihetsiketsehana an-dalambe tsy nahazoana alalana ary fanimbana fananam-bahoaka, no niampangana azy ireo. Nakambana ny fiampangana, ary mitovy ihany koa sazy mihatra tamin’ny fotoam-pitsarana farany. Nilaza ho tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka ireto Parlemantera ireto ka nampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony, saingy tsy hita voaka mandraka ankehitriny ny amin’io. Tsy voakasiky ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo izy ireo. Tsy nanaiky hanao sonia ireo taratasin’ny Fitsarana mandrara azy ireo tsy hahazo handray anjara amin’ny fivoriana politika izy efa-dahy Parlemantera ireto, na teo aza ny ramatahora.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT