Nivoaka tamin’ny fahanginany i Gabriel Rabearimanana, Sekretera jeneralin’ny antoko Monina, manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Momba ny Fihaonambem-pirenena izay notontosaina teny Ivato ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra teo dia nanamafy ny fanambarana efa navoakan’ny Monina ny 07 septambra Rabearimanana Gabriel fa sarintsarina Fihaonambem-pirenena ihany iny ary niniana natao ireny savorovoro isan-karazany ireny. «Solontena 2 000 no nantsoina, olona manodidina ny 4500 anefa no nandray anjara. Ireo fehin-kevitra kosa dia efa voaomana mialoha, na novana taty aoriana, mba hifanitsy amin’ny hetaheta sy ny tombontsoan’ny Filohan’ny FAT», hoy izy. Ho azy dia fisolokiana ny mpifidy kosa no fahitany ny fanatontosona ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana ny 17 novambra izao. Nambaran’ity mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite ity fa raha ny “ENY” no handresy dia mazava ny tohiny fa mijanonahofilohan’ny FAT i Andry Rajoelina. «Raha ny ‘TSIA’ indray no mandresy dia tsy misy filazana mihitsy momba izay zavatra hitranga. Azo vinaniana fa dia mijanona amin’izao misy izao isika, izany hoe mbola mijanona amin’ny toerany ihany i Andry Rajoelina. Amim-panetren-tena ary no hilazako fa fanambakana na fisolokiana ny mpifidy io”, hoy izy. Eo anatrehan’ny zava-misy dia mihevitra ity mpanao politika mpiara-dalana amin’i Monja Roindefo ity fa tokony ho nasiana votoatiny koa ny «TSIA» rehefa tsy navela hisafidy amin’ny volavolan-dalàmpanorenana 2 na 3 ny olom-pirenena. Raha ny soso-keviny ihany dia faritana mazava tsara fa raha ny TSIA no mandresy, dia miala tsy mitarika ny Tetezamita i Andry Rajoelina, ary miverina miara-midinika ambony latabatra ny mpifanandrina ara-politika fototr’izao krizy izao ka eo ambany fiahian’ny Fiarahamonim-pirenena toy ny CNOSC na vondrona hafa tsy manana fiandaniana no hanatanterahana izany mba ahitana ny vahaolana iombonana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.