Politique

Front Républicain et Démocrate Légaliste Miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra


  • Talata 02 Novambra 2010

Manamafy ny tolona nataony, dia ny fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, ny fitoviana, ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny zon’olombelona ary ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika, Marc Ravalomanana ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Légaliste) tarihin’i Tonton Ambroise.

Ho fanohizana izany no antony nijoroanay teny amin’ny Magro, hoy ity farany. Mikasika izay indrindra dia manao antso amin’ireo filohan’antoko politika repoblikana rehetra ny tenany, mba hifandray amin’ireo demokraty ka hivondrona ho manda iray hiady amin’ny didy jadona, ny tsy fahaiza-mitantana ary ny fanararaotam-pahefana ataon’ny FAT. Miantso ny tia tanindrazana tsy ankanavaka ihany koa ny FRDL, na mpanao politika io, na miaramila, na fiarahamonina sivily na fikambanana tsotra hanohana ny tolom-bahoaka ary koa hanohana ny fanelanelanana tarihin’ny CNOSC sy ny SADC, hanerena ny FAT hamindra ny andraikitra amin’ny tetezamita tena izy sy tsy miandany.

Tetsy andanin’izany ny FRDL dia manamafy, tamin’ny fanambarana nataony ny 31 oktobra 2010 teo, fa ny fitoniana politika dia miankina amin’ny famoahana ireo gadra politika rehetra sivily na miaramila, ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny fampiatoana ny fisamborana olona tsy amin’ny antony, ny fifamelana eo amin’ny samy mpanao politika hirosoana amin’ny fifampihavanana ary ny fandraisan’anjaran’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fanelanelanana rehetra ho famahana ny krizy, karakarain’ny CNOSC, ka iarahan’ny miaramila Malagasy sy ny Vondrona Afrikana, ny SADC, ny Vondrona Eoropeanina, ny Frankofonia, ary ny Firenena Mikambana no miantoka ny fiarovana amin’izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT