Politique

Frantsa Nihaino ny antson’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 02 Aprily 2010

Azo ambara fa nihaino ny tenin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary tapa-kevitra ny hanampy an’i Madagasikara amin’ny famahana ny krizy ny fitondrana frantsay.

Izay indrindra no antony nanirahan’ny filoha Sarkozy ny delegasiona notarihan’i Alain Joyandet. Nihaona tamin’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina izany delegasiona izany, nitondra ny hafatra avy amin’ny fitondram-panjakana frantsay, izay efa nambara teto ihany fa mitaona ny HAT hanangana governemantan’ny firaisam-pirenena. Fa eo ihany koa ny fanatanterahana fifidianana, saingy tsy ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny eritreritry ny HAT hatramin’izay no hisantarana azy, fa ny fitsapan-kevi-bahoaka, handaniana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4. Izany hoe soso-kevitra tsy mifanalavitra amin’ny satan’i Maputo. I Marc Ravalomanana moa dia niantso manokana ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy mba hijery akaiky ny tokony hatao amin’ny famahana ny krizy eto amintsika, nandritra ny lahateniny ny 29 martsa lasa teo. Ity filoha teo aloha ity moa dia efa namerimberina hatramin’ny herintaona fa ny Frantsay no tao ambadik’i Andry Rajoelina, ka noho izay antony izay no namerenany ny antso mba hieritreretan’ny mpitondra frantsay tsara amin’izay zavatra ataony, satria efa tena sahirana ny firenena malagasy.  Ankoatra ny fihaonany tamin’i Andry Rajoelina dia efa nihaona tamin’ny profesora Zafy Albert teny Ivandry ihany koa i Alain Joyandet, izay sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT