Raikitra io Frankôfônia io ! Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina raha nivahiny in-droa miantoana tamin’ny haino aman-jery vahiny TV5 Monde sy Radio France Internationale (RFI).
Nampiany, fa voahaja ny tetiandro amin’ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara io fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia io, izay andiany faha-16 no hatao eto ny 22 ka hatamin’ny 27 novambra 2016. Nanamafy ny voalazany ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Rafidimanana Narson, andry iankinan’ny fanatontosana ireo fotodrafitrasa fototra handraisana ireo fihaonana an-tampony in-droa miantoana hampiantranoan’i Madagasikara amin’ity taona ity. Voakasik’izany ny fanamboaran-dalana sy trano samihafa. Nilaza ity farany fa efa tomombana 90% ny mikasika ny Comesa, efa hatrany amin’ny 60% ny Frankôfônia. Nohamafisin’ny filoha nandritra ny resany tao amin’ny RFI fa hiteraka tombontsoa maro ho an’i Madagasikara ny fampiantranoana io Frankôfônia io.
Jean D.
Raikitra io Frankôfônia io ! Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina raha nivahiny in-droa miantoana tamin’ny haino aman-jery vahiny TV5 Monde sy Radio France Internationale (RFI). Nampiany, fa voahaja ny tetiandro amin’ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara io fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia io, izay andiany faha-16 no hatao eto ny 22 ka hatamin’ny 27 novambra 2016. Nanamafy ny voalazany ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Rafidimanana Narson, andry iankinan’ny fanatontosana ireo fotodrafitrasa fototra handraisana ireo fihaonana an-tampony in-droa miantoana hampiantranoan’i Madagasikara amin’ity taona ity. Voakasik’izany ny fanamboaran-dalana sy trano samihafa. Nilaza ity farany fa efa tomombana 90% ny mikasika ny Comesa, efa hatrany amin’ny 60% ny Frankôfônia. Nohamafisin’ny filoha nandritra ny resany tao amin’ny RFI fa hiteraka tombontsoa maro ho an’i Madagasikara ny fampiantranoana io Frankôfônia io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.